<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>390</hymn_number>
<title>He, Jesosy Tomponao FFPM390</title>
<lyrics>[V1]
 He, Jesosy Tomponao
 Malahelo, mitomany,
 Fa izao tontolo izao
 Mbola mihomehy ihany,
 Ka ho ratsy fiafara,
 Fa manda ny Tompo tsara !

[V2]
 Indro, tevana no ao,
 Fa tsy hitan'ny mpanota,
 Izay mandihy faly izao
 Sy manaram-po manota.
 Ry adala miverena,
 Sao ho very famonjena.

[V3]
 Mba heveronao izao
 Fa ny tenanao ho faty ;
 Koa ny fifonanao
 Aza ataonao matimaty !
 He, ny Tompo mitomany !
 Sa tsy azonao izany ?

[V4]
 Latsa-dranomaso be
 Sy onena ny Mpamonjy ;
 Koa mifohaza re
 Manatòna ho tra-bonjy,
 Fa Jesosy be fitia
 Mitomany ny mania.</lyrics>
<author>J.R. Ahle</author>
</song>